Fomba fifandraisana izay manome aina manokana ny olona tsirairay avy nefa
mifampiankina ny tsirairay, dia tokony ho vonona izy ireo ho amin'ny ezaka
mandavan-taona mba hatratrarana ny dingana mazava mba ho fototry ny fanehoan-kevitra
ary koa na dia tsy tonga lafatra aza ny Esperanto.
Isika manamafy fa tsy
fitoviam-pitenenana dia mazàna mirona ho amin'ny tsy fitoviam-pifandraisana
eo amin'ny sehatra samihafa. Isika dia fikambanana
ho amin'ny fifandraisan'ny fanehoan-kevitra.
Ny fiteny kely angaha atao hoe madinika dia mifamatotra ary voafaritra eo
amin'ny kolontsaina amin'ny firenena tsirairay avy. Ohatra, ny mpianatra izay
mianatra ny teny anglisy, na mianatra momba my kolontsaina, jeografia sy ny
politika ho an'ireo tany miteny anglisy, indrindra ny Amerika sy Angletera,
araka izany dia voafetra hatreo ihany. Ireo mianatra ny Esperanto kosa dia
mianatra eo amin'ny tontolo tsy voafetra ary izay firenena na iza misy azy
dia olona ao an-tranony ihany izy ireo.
Isika manamafy fa
ny fandalimana na amin'ny teny inona na amin'ny teny inona dia voafatotra
sy voafetra ihany eo amin'ny tontolo iainana. Isika
dia fikambanana ho amin'ny fifandraisam-pirenena eo amin'ny fanabeazana.
Ampahany ihany amin'ireo mianatra ny teny vahiny no mahafehy azy tsara. Ny
Esperanto kosa dia azo ianarana samy irery, azo lazaina fa feno eo amin'ny
lafiny rehetra. Ny fianarana maro isankarazany manome tatitra fa ny fampianarana
amin'ny teny vahiny angaha dia mitondra fahombiazana. Misy ihany koa sahy
manambara fa ny Esperanto ihany vao mainka tsara eo amin'ny fianaran'ireo
mpianatra mandalina ny teny.
Isika manamafy fa
ny fahasarotan'ireo teny vitsy manpiasa dia zary sakana loatra ho an'ireo
mpianatra, izay tsy maintsy mianatra teny roa. Isika
dia fikambanana mikendry ny fahombiazam-pampianarana.
Ny fiaraha-monina eo amin'ny Esperanto dia iray amin'ireo fiaraha-monina
misy eto an-tany ka ireo mpiteny azy dia tsy manavaka teny noa na maro. Ny
fiaraha-monina eo aminy dia mandray andraikitra hianatra farafahakeliny teny
vahiny iray hatramin'ny hahaizany mifehy azy tsara. Antony maro moa no mahatonga
hianatra ho amin'ny fitiavana ny teny maro ary amin'ny ankapobeny dia finiavan'ny
tsirairay ho amin'ny fivelarana izany.
Isika dia manamafy
fa ireo mpikambana amin'ireo teny maro, na kely ireo na lehibe dia tokony
hametraka mazava tsara ny fototra ho amin'ny famaritana ny teny faharoa izay
ianarana ka hatramin'ny fahaizana azy avo lenta. Isika
dia fimanbanan ho amin'ny fampitaovana eo amin'ny lafin'ny fahombiazana.
Tsy mitovy velively ny fizarazarana eo amin'ny hery samihafa ireo teny tsirairay
ho amin'ny fahatsapana fa misy mizana tsindrianila eo amin'ny sehatra maro
amin'ny mponina, maro tokoa io. Eo amin'ny fiaraha-monina Esperanto kosa,
ny mpikambana dia mivory tsy misy fiandamiana na teny kely na lehibe, na fiteny
ofisialy na tsia, ary eo anivon'ny tsy fiombana na eroa na etsy noho ny fifandraisana
mazava iaraha-mientana. Izany fifandanjan-kery izany eo amin'ireo teny samihafa
dia manana ny andraikiny avy mba hampivoatra ary mitondra vahaolana ho amin'ireo
tsy fitoviam-pitenenana zary misy disadisa.
Isika manamafy fa
ireo hery maro misy eo amin'ny fitenenana samihafa dia mihady lavaka ho amin'ny
tsy fahazoana antoka ireo tahirin-kevitra iraisam-pirenena ka ny fitoviana
azo antoka eo amin'ny teny no tsara. Isika dia
fikambanana ho an'ny zon'ny teny.
Ny fitondrampanjakana eran-tany dia manamarika ny fisian'ny fahasamihafa
ny teny eto amin'izao tontolo izao ary sakana lehibe ho amin'ny fifandraisana
izany sy fivoarana ihany koa. Ho an'ny fikambanana Esperanto kosa my fahasamihafana
dia tsy vato misakana velively eo amin'ny loharano azo tovozina.
Araka izany ny teny
tsirairay dia karazana zava-mahavelona lafo vidy tokoa ary mendrika harovana
mandramaty. Isika dia fikambanana ho amin'ny
fandalàna ny fahafamihafam-pitenenana.
My teny tsirairay dia manafaka ny mpiteny azy ary manome azy ireo fifandraisana
samy izy, kanefa zary sakana ho azy ireo ny fifandraisana amin'ny fiteny hafa.
Drafitra toy ny fifandraisana eran-tany, Esperanto dia iray sy goavana eo
amin'ireo sotoavina sy vinavinan'asa ho amin'ny maha-olona. Drafitr'asa ho
amin'ny olona tsirairay mihitsy mba hahafahany mandray anjara eo amin'ny fiaraha-monina,
koa ny fototra hiaingana amin'izany dia ny kolontsaina, ny fitoviam-pitenenana
nefa tsy mamatotra azy ireo.
Isika dia manamafy
fa ao anatin'ny fampiasana ny fitenim-pirenena tsirairay avy dia tsy midika
fa misy sakana na fanerena anaty ho amin'ny fananganana fikambanana. Isika
dia fikambanana ho amin'ny fahafahana maha-olona.
Pragu, jul. 1996
MALAGASA ESPERANTO-ASOCIO (MEA)
Rabevazaha Désiré, B.P. 3171, Antananarivo